Federasiona malagasin’ny Golf : Nametraka ny fandaharanasany teny amin’ny minisitera

Anisan’ireo taranja mijoro ara-dalàna eto Madagasikara ny golf. Nizara ny tetikasany teny anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tetsy Mahamasina, ny Federasiona malagasin’ny golf (FMGolf), omaly.

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana teny amin’ny biraon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Moustapha Abdulah, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja golf (FMGolf), Ravatomanga Maminiaina. Anton-dian’ity rafitra federalin’ny golf ity teny an-toerana ny hametraka ny fandaharanasany eny anivon’ny minisitera. Nilaza ny mpitarika ny taranja fa misy ny tetikasa maro hataon’izy ireo, amin’ ity taona ity, sy mandritra ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Ny volana avrily ho avy izao, hiatrika ny fifaninanana golf ho an’ny sokajy vehivavy “Ladies Cup”, i Madagasikara. Araka ny fanazavana voaray, ireo firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta afrikanina no hifanintsana amin’izany. Noma­rihin’ny filohan’ny golf malagasy fa tsy tokony hisy olana ny fidiran’izy ireo ao anatin’ ny Komity Olimpika malagasy (COM) satria taranja iraisam-pirenena izany. Efa nanao fangatahana izy ireo ary miandry ny valiny izany ankehitriny. Ankoatra izay, tsy asiana ny fanavahana eo amin’ireo federasiona. “Hatao mitovy tantana avokoa ny Fede­rasiona rehetra eto Mada­gasikara. Fanolorana ny drafitrasa ho an’ny taona ihany no fomba hahazoana fanampiana avy amin’ny minisitera”, hoy ny minisitra.

F.R

Partager sur: