Notolorana faneva, omaly, ireo jeneraly miisa 35, andiany taona 2024. Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lahateny nataony fa iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy.
«Iray tsy mivaky ny Foloalindahy malagasy, miray fo, tsy azo zaraina, tsy azo vakina, miara-misalahy amin’ny fiarovana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Izaho manokana dia mampiray fa tsy mampizara, manambatra fa tsy manavaka. Izay firaisam-po izay no entintsika hampandroso ny firenena». Io ny hafatry ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, tamin’ny lanona-miaramila fanolorana faneva ireo manamboninahitra jeneraly 35 nahazo laharam-boninahitra 2024, teny amin’ny 1er Bataillon Parachutiste, Ivato, omaly. Aoka ny fitiavan-tanindrazana no hibaiko, hanandratana avo ny fiandrianam-pirenena ary hamelona ny hambompom-pirenena ao am-pon’ny tsirairay avy.
Amin’ity taona ity no hankalazana ny faha-65 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena, fa hankalazana koa ny faha-65 taona nijoroan’ny Foloalindahy malagasy. Mendrika hankalazaina ao anatin’ny fahamendrehana izany fotoan-dehibe izany. Hohamafisina hatrany ny fampitaovana ho an’ny Foloalindahy malagasy. Koa hahazo fiaramanidina telo izy ireo, hahazoana manao famonjena rehefa sendra ny loza voajanahary. Na fanamafisana ny fandriampahalemana manerana an’i Madagasikara. Hohavaozina koa ny fitaovana rehetra. Anisan’izany ny fanamiana ho an’ny Foloalindahy. Ao anatin’izany ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy. Mba ho mendrika sy ho reharehan’ny Malagasy ianareo Foloalindahy.
“Tsy hanaiky fampisaram-bazana sy ny fanakorontanana volen’ireo tsy mataho-tody ny mpitandro filaminana, fa hitandro toy ny anakandriamaso ny firaisam-pirenena amin’ny maha tandroka aron’ny vozona anay”, hoy kosa ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Dephin.
R. Nd.