Izao ny fotoana tokony hanehoan’ny Malagasy fa iray vatsy iray aina tokoa izy. Tsy mijanona ho teny filamatra fotsiny fa arahina asa. Tsy vitan’ny kitsetsetra ny zava-miseho, ankehitriny. Mitaky ny fiaraha-mientana avy amin’izay tsara sitrapo. Tsy hiandrasana mpitondra fanjakana, na mpanao asa soa fa izay afaka ny mitondra ny voantsirambin’ny tanany.
Mampalahelo ny mahita mpiray tanindrazana, efa nataon’ny haintany fay rano…, mbola ataon’ny tondradrano mahita faisana ihany koa. Indroa mahita ny maizana toy ny tain’omby nasesika an-davaka, ilay vahoaka madinika. Tena mila vonjy ny tra-boina. Zava-dehibe ny tolo-tanana ara-pitaovana sy ny filana andavanandro, fa tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny tohana ara-tsaina.
Amin’ny voina tahaka izao anefa, tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fandraisana ny fanampiana ny traboina. Fotoana ihany koa mba handinihan-tena. Tsy sanatrian’ny vava hionona amin’ny fifamendrofendroana eny anivon’ny toby fandraisana. Mba handalina izay mahatonga ny fahavoazana isan-taona koa.
Andaniny, anisan’ny teboka ilana fijerena akaiky ny fanotofana tany eto an-dRenivohitra. Ankilany, mila tonga saina ny sarambabem-bahoaka amin’ny fanetsemana ny fivoahan-drano. Firifiry ny manao fanorenan-trano tsy manaraka ny fenitra. Ny an’ny sasany aza eny ambony lakandrano mihitsy no manangam-ponenana.
Sanatrian’ny vava mandatsa raha hiteny sy hisintona lakolosy, fa manahirana ilay toe-tsaina tsy mahay mitsinjo vodiandro ho merika. Misy amin’ny manan-katao no maika amin’ny hofan-trano ka manangana etsy sy eroa fahatany? Rehefa tonga ny patsa iray tsy omby vava, izy tsy te-hahalala fa ny volany ihany no hainy.
Raha fehezina ny zava-misy eto an-drenivohitra sy ny manodidina, samy tomponandraikitra amin’ny zava-miseho ny mponina. Tsy ny natiora no homen-tsiny lava fa misy tokoa ny mpanao tandrevaka!
r.r