Nidina an-dalambe ireo mponina manana tany, tafiditra amin’ny tetikasa fanorenana ny tanana Tanamasoandro. Nihiaka sy niantsoantso ho fanoherana sy tsy fanekena izany izy ireo, omaly. “Tsy amidy ny taninay, tsy omenay ny taninay, aza ravaina ny tanànanay…”, hoy ireo mponina nanao ny hetsika ho tsy fankasitrahana ny tetikasa Tanamasoandro.
Anisan’ny tsipahin’izy ireo ny fametrahana tsatoka na ny “Piqué” ao amin’ny fokontany Miadapaonina sy ny eny Ambohibololona ao anatin’ny kaominina Imerintsiatosika.
Nanao diabe sady nilanja sorabaventy nirodorodo nitaraina teny amin’ny biraon’ny kaominina sy teny amin’ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ireo mponina ireo. Nohitsin’izy ireo fa tsy nisy ny tenierana tamin’ny fakana ny tanin’izy ireo. Karazana amboletra izao ataon’ny tomponandraiki-panjakana izao.
Synèse.