INDRAY MIJERY

Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro. Hahazo vahana hatrany ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy. Hitohy hatrany ny oram-pahavaratra, ankoatra ny morontsiraka avaratra andrefana, atsimo andrefana ary atsimo izay tombanana handrahona mitsitokotoko. Hiverina miandalana ny oram-baratra any amin’ny faritra Avaratra andrefana, manomboka ny zoma izao.

Efa nidina ny reniranon’i Sisaony, eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika sy Andramasina. Filazana loza manambana miloko mavo, omaly. Voakasiky ny filazana ireo kaominina manodidina, toy ny kaominina Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Ampahitrosy, Fenoarivo, Ampangabe….

Manoloana ny fikijan’ny orana, maro ireo rindrim-bato na tamboho na tevana atahorana hihotsaka. Mila mampandre haingana ny tomponandraikitra ireo tandindomin-doza hahafahana maka fepetra. Ialana alavitra ny mivezivezy amin’izy ireny raha azo atao. Fehezina ny ankizy tsy hilalao manakaiky ireny toerana ireny.

Ranobe mangeniheny tao anatin’ny fotoana fohy ny renirano mandalo eto Antananarivo vokatry ny rotsakorana nisesy. Loza mitatao ho an’ny rehetra indray izany. Mila mitandrina na ireo tsy maintsy hiampita amin’ny lakana na ireo tsy maintsy hitsaka rano. Mafy rahateo ny tosiky ny rano ka tsy azo hisangina.

Partager sur: