Tsy mitsaha-mitombo! Niisa 975 000 ny mpandeha teny Ivato ho an’ny taona 2024 raha oharina ny taona 2023, nahitana fitomboana 14%. Nitotaly 1 230 000 io tarehimarika io, raha miampy ny mpandeha tany Nosy Be. Tsiahivina fa mitantana ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena roa ireo ny orinasa Ravinala Airports. Nilaza ny tale jeneralin’ny orinasa, Daniel Lefebre, fa: “hotohizana ny ezaka vita, indrindra ny fanavaozana hatrany ny fotodrafitrasa eny Ivato sy Nosy Be, hanatsarana ny tolotra omena ny mpandeha. Vina apetrakay ny haha fitaratra ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny sy ny hanomezana tolotra mahafa-po ny mpandeha”. Ho an’ity taona 2025 ity, hampiroboroboina ny toeram-pivarotana ao anatin’ireo seranam-piaramanidina roa ireo. Hahatratra 6,5 tapitrisa euros ny fanavaozana hatao ao amin’ny seranam-piaramanidina ho an’ny zotra anatiny, eny Ivato. Hampitomboina avo roa heny ny fitantanana ny fitarainan’ny mpanjifa. Tanjona ny hanomezana hatrany ny fahafaham-po ny mpandeha.
Loka samihafa
Natao ny 14 febroary teo, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo, ny fifampiarahabana tratry ny taona 2025. Natolotra tamin’io fotoana io ny loka fankasitrahana avy any amin’ny mpandeha ho an’ny sampana samihafa eny Ivato tamin’ny fandaharanasa ASQ. Nahazo ny loka Best Staff ny orinasa MGH. Notolorana ny ladoany sy ny polisy PAF ny Best Walting Time.
Nanatrika ny fotoana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry. Teo koa ny solontena avy amin’ny minisitera hafa ary ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ravinala Airports.
Njaka A.