Renim-pianakaviana, 74 taona, maty tsy tsa-drano vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray nandehanany, afakomaly, tany Ifanadiana. Voatsindrin’ilay fiara izy ka nitarika ny fahafatesany.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray tany amin’ny lalam-pirenena, RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, PK10+80, afakomaly. Niseho tao Mangalahenatra, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambiabe, distrika Ifanadiana, ny loza. Avy any Fianarantsoa hihazo an’Ikongo ity fiara lehibe ity. Nandeha lala-mahitsy izy ary hiditra fiolahana avy eo. Nisy tsy fahatomombanana ny familiana, tsy nety nihodina ary nikatso, nandritra izany, ka latsaka tany anatin’ny reniranon’i Namorona ilay fiara sy ny entana nentiny. Vokany, olona iray, nandeha tao anatin’ny fiara no maty teo no ho eo. Raha ny fantatra, renim-pianakaviana sady mpampianatra misotro ronono, 74 taona, mipetraka any Ikongo izy io. Olona roa hafa naratra, izay mpamily sy ny mpanampy azy. Efa nentina namonjy hopitaly ao amin’ny CHRD Ifanadiana avy hatrany ireo naratra, taorian’ny fitrangan’ny loza.
Nosokirina tao ambanin’ilay fiara
Nivarina tao anaty renirano ny fiara, naka endrika nihorirana rehefa nianjera. Navotana avokoa ireo mpandeha tao anatin’ilay fiara. Avotra soa aman-tsara fa naratra mafy kosa ny mpamily sy ny mpanampy azy. Renim-pianakaviana iray no voatsindrin’ilay fiara tao ambany, ka nitarika ny fahafatesany, raha ny vaovao voaray avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nananosarotra ny fanavotana ny vata mangatsiakany tao ambanin’ilay fiara satria naharitra ora maro ny fisokirana. Nisy ny fifanampiana teo amin’ny fokonolona sy ny zandary, nijery ny zava-misy tamin’izany. Efa misokatra ny fanadihadiana, izay sahanin’ny tobim-paritry ny Zandarimaria Ifanadiana. Ilaina ary entanina hatrany ireo mpamily rehetra mba hanao fizahana teknika ny fiara sy hanamarina ny mekanika rehetra amin’ny fiara, mba hahatomombana tsara ny dia.
Mino