Karate – « DAF»: Mpampianatra 25 hanaraka fiofanana

Araka ny vaovao efa nampitain’ny Federaasion’ny karate-do malagasy, hisy ny fampiofanana hahazoana ny « Diplôme d’animateur fédéral” karakarain’izy ireo, natokana ho an’ny mpampianatra ity taranja ity. Ny alatsinainy 24 febroary izao no hanomboka izany, eny amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro, eny Ampefiloha. Mpampianatra 25 mianadahy no hanaraka izany, amin’ity andiany voalohany ity, izay hiarahan’ny federasiona sy ny ANS misalahy ny fikarakarana. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, fa tafiditra tanteraka anatin’ny vina napetrany ny fiatrehana fiofanana toa izao, ka tanjona ny mba hananan’i Madagasikara mpampianatra na “Maître de salle” manana fahaiza-manao amin’ny fampianarana. Nohamafisiny fa efa nisy hatrany ny fampiofanana ho an’ny mpitsara sy mpanazatra nomen’ny vahiny manam-pahaizana ary ho hampitomboina izany.
Tsiahivina, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, ho an’ny ankizy (U-8, U-10, U-12, U-14) sy ny sokajy vehivavy ny federasiona, aorian’izao fampiofanana izao. Ny 1 sy 2 marsa izao no hatao ka karatekas hatramin’ny 500 no andrasana eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina.

Mi.Raz

Partager sur: