SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, mitana ny laharana voalohany hatrany ny AS Fanalamanga, amin’ny fifaninanana nasionaly « World Cola-PFL ». Ma­nana isa fito izy ireo. Manaraka azy aoriana kosa ny Elgeco Plus, isa dimy ary ny Fosa Juniors FC, isa efatra. Ratsy kosa ny toerana misy ny Tsaramandroso FC, izay mitana isa tokana.

Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo mpilalao basikety milaravinahitra hanatevin-daharana ny Ankoay, amin’ny fiatrehana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, izay hanomboka afaka andro vitsy. I Mathias M’Madi no nandrasana farany izay higadona eto Madagasikara, anio.

Miatrika fiofanana ara-teknika eo amin’ny taranja Muay Thai, any Thailande, ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Muay Thai, Razanajatovo Gildas. Ny alahady alina teo izy no niala teto an-tanindrazana ary haharitra iray volana izany fiofanana hatrehany any Thailande izany.

Taorain’izay andro maro niverenan’ilay brezilianina, Neymar JR, tao amin’ny klioban’ny Santos FC Brezila izay, nahatafiditra baolina voalohany ho azy ihany izy. Nahazo fandresena 3 no ho 1, teo anatrehan’ny Agua Santa, ry zareo. Marihina fa mbola “penalty” ihany aloha ity baolina nampidiriny ity.

Partager sur: