Tafakatra 3 688 ireo traboina: Ifarimbonana ny fitsinjovana azy ireo

Tafakatra 3 688 ireo olona traboina, avy amin’ny tokantrano 991, araka ny tatitra nataon’ny BNGRC, omaly maraina. Ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano avokoa ny 3 666 amin’ireo. Olona 2 936 kosa voatery nafindra toerana. Trano 720 no dibo-drano tanteraka raha 4 no simba. Toerana 5 no handraisana ireo traboina ireo, ny ao Anosizato Andrefana, ny CEG Faliarivo, ny fiangonan’ i Jesoa Kristy Ampitatafika sy ny EPP Loharanombato Ambavahaditokana ary ny toby Secaline ao Bemasoandro Itaosy.
Tonga nankahery ireo traboina ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ka nizara sakafo mafana ara-pahasalamana ho fitsinjovana haingana ireo marefo. Nifarimbona tamin’ny minisiteran’ny Atitany, tamin’ny alalany BNGC, sy ny governoran’ny faritra Analamanga, ny minisitera tamin’ny fanatanterahana izany.
Tsiahivina fa efa tany amin’ny distrikan’Ampanihy ihany koa ny minisitra nitondra ny voin-kava-mahatratra tamin’ireo olona traboina vokatry ny fiakaran’ny rano any an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: