Hita ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, niara-namoy ny ainy, ny mpivady avy niasa, tao amin’ny fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, lasan’ny rano ny alin’ny zoma 14 febroary teo. Nivarotra toy ny mahazatra azy ireo, namonjy fodiana izy mivady. Nitaingina moto, nikasa hiampita ny renirano no sendra ny ranotrambo tampoka tamin’ny 8 ora alina. Tsy hita popoka izy mivady nanomboka tamin’io alina io. Nanao fikarohana ny mponina teny anivon’ny fokontany sy ny tomponandraikitra nandritra ny alina saingy nananosarotra izany noho ny haizina. Mitohy hatramin’ny maraina ny fitadiavan’ny fianakaviany. Hita tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza izy roa. Saingy, efa tsy nisy aina intsony. Tazana tsy lavitra teo koa ny moto nentin’izy ireo. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka taorian’ny fizahan’ny mpitsabo. Manentana ny mponina hitandrina hatrany, hisorohana ny tranga tahaka izao, ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
*
Mino