Tovolahy iray eo amin’ny 30 taona eo no hita faty tao anaty tatatra fivarinan’ny rano, tao amin’ny fokontany Ambohibato, Ambohimanambola, afakomaly maraina. Tsy nahitana ratra na vono na iray aza tamin’ny vatany, raha ny valin’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Heverina ho mamo izy ka nivarina an-tatatra. Vokatr’izany no nitarika ny fahafatesany. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty CHUJRA Ampefiloha ny razana.
Nalefa ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatolampy ny raharaha mahakasika ny fahitana zaza very, tany amin’ny kaominina Ampitatafika. Naterina lehilahy iray tao amin’ny biraon’ny zandary any an-toerana io zaza io, iray volana lasa izay. Tsy niverina intsony anefa io lehilahy io taty aoriana. Efa notaizana eny anivon’ny Akany Mendrika moa ilay zaza.
Havaozina ny fanamiana ho an’ny Tafika malagasy : Zandary, Miaramila ary ny polisim-pirenena. “Mba hanamafisana ny fandriampahalemana sy fiarovana an’i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fanolorana sy fampiakarana grady ho an’ireo manam-boninahitra.
Efa voasambotra sy atao famotorana ao amin’ny Brigade Brickaville ilay miaramila mamo, nitifitra ka nahafaty olona iray, tany amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, ny faran’ny herinandro teo. Marihina fa voatifitra teo amin’ny lohany ilay olona ka maty tsy tra-drano. Efa nalaina teny aminy ny basim-panjakana izay nampiasainy nandritra izany.