Manome tantsoroka ny Malagasy hatrany ny japoney mba hampiasantsika ireo fitaovam-pambolena moderina sy hampitomboana ny famokarana ka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Natao teny amin’ny Centre de fabrication, de formation et d’application du machinisme et de la mécanisation agricole (CFFAMMA) Antsirabe ny fampiofanana ireo mpanao asa tanana momba ny fitaovam-pamokarana madinika. Nanohana azy dimy lahy ny japoney manam-pahaizana manokana momba ny fitaovam-pamokaram-bary. Tanjona ny hampiroboroboana ny fampiasana milina eny amin’ny valantahaka napetraky ny tetikasa Papriz. Miara-miasa amin’ny CFFAMMA sy manampy ny tetikasa Papriz i Shinji Kitagawa. Anisan’ireo mamolavola fitaovam-pamokarana vaovao hanatsarana ny kalitaon’ny fitaovana efa misy ny tenany ka nizara ny fahaiza-manaony tamin’ireo mpanao asa tanana. Niofana sy nianatra nanamboatra sarklezy, fivelezam-bary ary fikororoham-bary, nandritra ny roa herinandro, ireo mpanao asa vy. Nanamboatra fivelezam-bary mandeha motera izay novolavolain’ilay manam-pahaizana ihany koa ireo mpisitraka. Fitaovana izay natokana ho an’ny tanimbary midadasika toa an’i Marovoay sy ny «Projet de réhabilitation du système d’irrigation dans le Sud-Ouest du Lac Alaotra » (PC23). Mety ho an’ny tanimbary kely na antonony ireo fitaovam-pamokaram-bary vaovao satria mahavita mively vary 200kg/ ora raha mahatratra hatrany amin’ny 400kg/ ora ny fikororoham-bary. Ankehitriny, mahaleo tena tanteraka izy dimy mirahalahy ka afaka manamboatra fitaovam-pambolena tsara kalitao sy manaraka ny fenitra napetraky ny tetikasa Papriz sy CFFAMMA ho an’ny tantsaha mpamboly vary.
Famokarana
Nitondra fiovana betsaka teo amin’ireo tantsaha ny fampiharana ireo teknikam-pambolem-bary tohanan’ny tetikasa Papriz. Mampitombo ny vokatra sy mampiroborobo ny toekaren’ny tantsaha ny fandaharanasa apetraka. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Kendrena ny hanamafisana ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara hanatsarana ny lalam-pihariana.
Henintsoa Hani