Ifasy sy Mahavavy: Mahazaka 25 taonina tsirairay ireo bac

Efa miasa nanomboka ny alatsinainy teo ireo bac fiampitana any amin’ny reniranon’Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (Pk 568), lalam-pirenena, RN 6. Nijery ifotony tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Mahazaka lanja 25 taonina tsirairay avy ireo bacs roa ireo, afaka hiampitan’ny fiara latsak’io vesatra io.
Notsipihiny fa maimaimpoana ny fiampitan’ny olona sy ny fiara ary ny entana amin’ireo bacs roa ireo. Raisin’ny fanjakana an-tanana daholo ny solika sy ny karaman’ireo mpiasa, araka ny toromariky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Atao laharam-pahamehana ny fiampitan’ny mpianatra isa-maraina.
Vahaolana vonjimaika noraisin’ny fanjakana ny fampandehanana ny bac fiampitana, ankoatra ny fivilian-dalana vahilava, izay tapaka matetika rehefa miakatra ny haavon’ny renirano, noho ny orambe. Efa misy ny tetibola sy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Colas, hanarenana ireo fivilian-dalana ireo. Miasa avy hatrany ny orinasa raha vao mihena ny haavon’ny rano. Vahaolana maharitra ny fanarenana ny tetezana Ifasy sy Mahavavy, izay mila famatsiam-bola goavana, sy fanadihadiana ary dingana maro.

Njaka A.

Partager sur: