“Manana rejisitry ny mponina ao aminy ny fokontany. Manomboka amin’izay teraka ka hatramin’izay maty izany. Miainga amin’izay rejisitra izay no hanaovana ny lisitry ny mpifidy isan-taona: iza avy no feno 18 taona amin’ity taona ity ary iza no efa maty?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izao. Tsy mila mandany volabe ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy, fa ny fokonolona no tompon-draharaha. Tenenina ampahibemaso amin’ny fivoriam-pokonolona izay ao anatin’ny lisitra amin’ity taona ity, ohatra. Raha ny fokonolona no manao fanaraha-maso izany, tsy mila mandany volabe. Ny kahiena rejisitra hakana ny lisitry ny mpifidy vakina ampahibemaso amin’ny fivoriambem-pokonolona no mijanona eo amin’ny fokontany. Izay no hanaovana fifidianana, na rahoviana na rahoviana. Izay no tokony ho izy.
Manao antso avo ny Teza, ilaina mihaona ny antoko politika sy ny mpisehatra politika rehetra. Aleo jerena: inona no tsy mety sy ny tolo-kevitra amin’ny lalàm-pifidianana, inona no tsy mety amin’ny lalàmpanorenana? Dia manamboatra volavolan-kevitra hanatsarana ny demokrasia… Izay no enti-miady eo amin’ny firenena. Tsy maintsy apetraka izay ary izay no hiantsoana vahoaka. Tafiditra ao anatin’izay ny didy hitsivolana 060-80. Raha hidina an-dalambe, ohatra, ny vahoaka na fikambanana tsotra, tsy maninona maka fahazoan-dalana. Raha antoko politika no manao an’izany, tokony hampahafantatra fotsiny ny mpitandro filaminana izy. Anjaran’ny mpitandro filaminana ny miaro ny faritra saro-pady.
R. Nd.