Maty tsy tra-drano: Mpiambina trano voatsatoka antsy

Nisy vonoan’olona mahatsiravina tao Salazamay, parisela 14/21, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 15 mn. Tovolahy mpiambina tanàna ana teratany frantsay saika hidiran-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Niantso vonjy ilay mpiambina. Vokany, notsatotsatohan’ireo jiolahy antsy izy ka maty tsy tra-drano. Na teo aza izany, tsy tafiditra tao an-tranon’ilay vazaha ireo jiolahy fa nitsoaka nandositra taorian’ny famonoana ilay mpiambina. Nahitana tsatoka antsy miisa dimy tamin’ny vatany ary lehibe indrindra ny teo amin’ny fony. Amin’ny andavanandro, feno ireny andian’olona manao Wifi ireny manodidina ny tranon’ity vazaha ity. Ankilany, mihorohoro ny mponina manoloana ny fandrobana, fanafihana miharo vonoan’olona, efa saika isan’andro.

Sajo/J.C

Partager sur: