Mila sarotiny!

 

Efa mba nitsahatsahatra ny orambe mikija tato ho ato. Mazava ny filazana avy amin’ny mpamatatra ny toetry ny andro. Tsy misy atahorana intsony aloha ny fitohizana lavareny. Somary mba hihena ihany koa, araka izany, ny firidan’ny fiakaran’ny renirano, nampitondra faisana tao anatin’ny andro vitsivitsy.
Tsy midika akory izany fa afaka mandrimandry manana aretina ny mponina eto an-drenivohitra, indrindra ireo mbola eny amin’ny faritra dibo-drano. Tsy maintsy mitandrina sy maka ny fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy, indrindra ny traboina. Tsy ho maimaika ny hitodi-doha raha vao midina ny rano, fa tsy maintsy manaraka ny fepetra sy lamina omen’ny tomponandraikitra.
Tsy ny rano be ihany no loza mampanahy, fa mbola mafimafy kokoa aza ny miatrika ny takaitra avelany. Mbola hafa ny fiatrehana ny voly simba, ny trano mety hirodana, manginy fotsiny ny aretina. Mila fahamalinana lalina izany. Ny loza voajanahary rahateo tsy hampilaza mialoha velively. Matetika aza amin’ny fotoana tsy hieritreretana azy mihitsy izy no tonga sy mandravarava.
Manoloana ny zava-miseho, entanina hatrany ny traboina mba hanaraka ny toromarika. Toraka izany ny tomponandraikitra, miahy azy ireny. Tsy tokony hisy handefa ny olona hody na efa milatsaka ambany aza ny rano. Ilaina ny fifampitsinjovana, anatin’ny fifampitenenana amim-panajana raha misy ny tsy maintsy ho lazaina.
Tsy azo atao ny milefitra manana ny rariny, ain’olona rahateo no harovana amin’ireny tobin’ny traboina ireny. Araka izany, manana andraikitra goavana amin’ny fanakanana izay mikasa ny hihoa-pefy ny mpitantana. Olona marefo ara-tsaina sy ara-moraly no tantanina ka tsy maintsy mametraka ny lamina mifandraika amin’izany. Indrindra ny fanajana fitsipika!

r.r

Partager sur: