Mpisandoka ho mpampitombo vola : Milaza ho misy kalanoro, lehilahy iray nosamborina

Voasambotry ny zandary, omaly, ny raim-pianakaviana iray milaza ho mpampitombo vola. Mandroboka ny lasibatra amin’ny resaka kalanoro izy.

Voasambotry ny zandarimaria ao Amborovy, omaly maraina, tany an-toerana, ao antampon-tanànan’i Mahajanga, ny lehilahy iray misoloky ho kalanoro. Mi­vondrona ao anaty tambajotrana Dadibe na kalanoro izy io. Lasibatra tamin’ny asa ratsiny ny lehilahy iray mpamily bajaj any an-toerana. Voaso­loky vola 300 000 Ariary izy ta­min’izany. Tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary any Amborovy izy, taorian’izay. Nidina ifotony nanao ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nahafahana nisambotra io mpisandoka io.
“Miantso olona amin’ny alalan’ny finday izy, ka manao feona kalanoro. Lazainy mandritra izany, fa sitraky ny masina ilay olona antsoiny, ka ha­hazo fahasoavana sy hahazo volabe. Mba hahafahana ma­hazo izany anefa, tsy main­tsy manatanteraka ny zavatra angatahiny ilay olona”, hoy ny tatitra avy amin’ny kaomandin’ny zandarimaria avy ao Amborovy, GPHC, Andria­niaina Blaise. Asainy mitondra tantely, agarbati ary volamena ilay olona, ary asaina aterina any amin’ny toerana mangingina. Asehoy amin’ilay olona ny volabe, fa tsy azo kitihina. Ma­nomboka mandresy lahatra amin’ny alalan’ny fitaka mba ha­haroboka ilay olona izy. La­zainy fa arakaraka ny vola any amin’ilay olona no ahafahana mampitombo azy. Asainy alefa amin’ny compte ny vola 300 000 Ariary. Asaina mitondra gony anasiana ny vola ilay olona, rehefa tonga ny fotoana. Taratasy avokoa ny tao anatin’ilay fonosana rehefa nosokafana tany an-trano.
Miseho amin’ny endriny maro ny fisolokiana, manentana ny rehetra mba tsy ho mora resy lahatra manoloana ny ta­haka izao, ny lehiben’ny zan­dary avy ao Amborovy. Toko­ny ho mailo sy hanamarina tsara ny vola alefa. Atolotra ny fampanoavana ny raharaha. Marihina fa efa nisy olona efatra hafa koa voasolokin’ity lehilahy ity tamin’io asa ratsiny io.

Mino

Partager sur: