Andro vitsy sisa. Hanamarika ny 21 febroary, «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny» ny firenena maro. Ho an’i Madagasikara manokana, ilay reny tokony hiteny ny teniny mihitsy no tsy manao izany, hany ka na hankalazaina isan’andro aza io vanim-potoana io, herim-po very maina fotsiny. Na, mety hijanona hatreo amin’ny fisehosehoana sy «kifetifety» ihany. Noho izany, ny fampahafantarana ny reny (sy izay ho reny) fa manana ny teniny izy no mila hatao haingana. Ireo fomba hoenti-manatanteraka azy io no karohina fatratra.
Tsy ho sarotra ny hamerina ny teniny ho eny am-bavan’ny reny raha toa ka ampahafantarina azy fa tsy azy io teny teneniny ankehitriny io. Faharoa, manana akony eo amin’ny zanany any am-bohoka, mandra-pahalehibeny ary eo amin’ny fiainana manontolo ny fampiasana ny tenindreny, satria, izay no manaraka ny lamina voajanahary. Fahatelo, mila ampiasaina (tenenina, ifampiresahana…) any amin’ny sehatra rehetra ny tenindreny.
… Mbola mandaitra hatramin’izao ny fanjanahan-tsaina nataon’ny vahiny. Tsy hahomby loatra ny fanazavana, satria, niha narivo ny fahaiza-mandalina ananan’ny Malagasy. Noho izany, raha ilaina, amin’ny alalan’ny lalàna sy didy no hoentina hampitodika ny saina amam-panahin’ny Malagasy any amin’ny tenindreny.
HaRy Razafindrakoto