Vita ny tombana farany mahakasika ny tetikasa andrana fizarana singam-pamelomana maro ho an’ny vehivavy mitondra vohoka (MMS pilote) natao tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana Itasy sy Ifanadiana, ao Vatovavy.
Nisongadina ny vokatra na ho an’ny reny na ho an’ny zaza mahakasika ny fahasalamana sy fanjarian-tsakafo. Efa nampiana tsikelikely ireo distrika roa ireo ka nitarina amin’ny distrikan’i Miarinarivo sy Arivonimamo ary ny distrikan’ Ihosy, ao Ihorombe, ny tetikasa. Namaritra ny fanatanterahana ny fanitarana ny tetikasa any amin’ireo faritra hafa ihany koa ny tombana natao.
Samy nanao firaiketana andraikitra ireo olona tonga hahalavorary ny tetikasa mba tena hipaka amin’ireo misitraka.
Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, hiitatra any amin’ny faritra Androy, Anôsy, Atsimo Andrefana, Fitovinany, Vatovavy, Amoron’i Mania, Mahatsiatra Ambony ary Vakinankaratra ny tetikasa fizarana singam-pamelomana ho an’ny reny bevohoka.
Sady ilaina amin’ny fiatrehan’ny reny ny fitondrana vohoka sy mandritra ny fiterahana no ilain’ny zaza ao am-bohoka hahafahany mitombo araka ny tokony ho izy ireo singa zaraina. Iankinan’ny fahasalaman’ny reny mitondra vohoka tanteraka izany.
Tatiana A