«Hanomboka hivoaka ivelan’Antananarivo amin’izay izahay. Any Arivonimamo no hanombohanay izany», hoy ny Tanora Masina Itaosy. Ny alahady 23 febroary 2025 manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Salle d’oeuvre EKAR NDA Arivonimamo.
Tsy ampy hanome lanja ny tenindreny ny fikambanana mijoro eto Madagasikara. Mila mandray andraikitra ny isan-tokantrano. Ny ray aman-dreny no mampiasa ny tenindreny. Manaraka ho azy ny zanaka. Faharoa, esorina ny hevi-diso milaza fa : «tsy ampy ny teny malagasy». Ampy hanabeazana sy hitaizana ny taranaka Malagasy ny teny malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny tenindreny.
Mandray anjara lehibe amin’ny famotehana ny maha izy azy ny Malagasy (teny, kolontsaina sy zavakanto…) ny haino vaky jery. Amin’ny alalan’ny fandaharana ao aminy, na vokatry ny ambaran’ireo mpanentana no mahatonga izany. Maro amin’izy ireny no miteny na manazava ny zavatra tsy voafehiny. Misy amin’ny fandaharana indray, manome vahana ny «zava-bahiny».
Mbola maro amin’ny Malagasy no tsy mahafantatra ny momba azy. Ao indray ireo mihevitra fa mihataka amin’ny hafa raha miaina amin’ireny maha izy azy ireny. Io farany io no mila resena mba tsy hanao randra-mitarika any amin’ny taranaka.