Toliara I sy II : Nanome fanampiana ny traboina ny Base

Dibo-drano vokatry ny orambe ihany koa ny tanàna amorontsiraka maro ao amin’ny distrika Toliara I sy II. Nitondra fanampiana ny orinasa Base Toliara, niaraka tamin’ny Foibe mitantana ny loza sy ny ambana (GPGRC), eo ambany fiahian’ny Prefektiora Toliara, ny 17 febroary teo. Miisa 2 300 ny tokantrano nomena vary 460 gony, kabaro 92 gony, menaka fihinana 2 300 tavoahangy, savony 575 baoritra, koveta ary fanadiovana rano fisotro.
Endriky ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fanjakana sy ny Base ary ny mponina eny ifotony. Nisitraka izany ny mponina any Ambohitsabo Antsirasira, Anjoloky Abra­hama, Nosy Manitsy, Beko­mondro ary Besakoa Antsira­sira. Nilaza Ramanaka­monjy Guy Laurent, tomponandraikitra iray ao amin’ny orinasa Base, fa « tonga ety ifotony izahay, miaraka amin’ny CPGRC, mitondra fanampiana, hanamorana ny fiainan’ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny orinasa ny hetsika sosialy toy izao ».
Namaly Razafy Christian Marcellin, mponina any Ambo­hitsabo Antsirasira, fa « ma­ha­faly tokoa izao, satria sambany nisy niahy anay. Ante­nainay fa ho afaka hiasa malalaka ity tetikasa ity ».
Nambaran’ny talen’ny Fi­fandraisana amin’ny any ivelany, Mahafaritsy Samuel, avy amin’ny Base, fa ny CRGRC sy ny fokontany ary ny vaomiera Loharano no hitsinjara izany. Nankasitraka ny hetsika ihany koa ny raiamandreny any Anjoloky Abrahama.

Njaka A.

Partager sur: