Tranombakoka manan-tantara ao Fenoarivo Atsinanana ny Lampy. Hatramin’izay, ny Prefektiora any an-toerana no nitantana azy. Noho ny andraikitra samy manana ny azy sy ny antony maro hafa, nafindra amin’ny Oniversiten’i Toamasina ny fitantanana ny toerana. Ny ao amin’ny lalam-piofanana Anthropologie, izay misahana manokana ny vakoka sy ny tontolony no tena handray izany. Tontosa ny talata teo ny lanonana famindram-pitantanana, izay nahatsapana fa manana ny toerany ny vakoka, tsy eo amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny tantara ihany, fa eo amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny mihitsy.
Ankoatra ny fikojakojana sy ny fanarenana ny Tranombakoka Lampy, manana andraikitra amin’ny fiarovana ireo harembakoka voatahiry ao koa ny mpitantana. Hanamora ny fikarohana hataon’ireo mpianatra ao amin’ny lalam-piofanana Anthropologie ihany koa anefa ny fandraisan’izy ireo ny mozea.
Araka ny famaritana miranty ao amin’ny tranombakoka, “teny malagasy ampiasaina amin’ny fomba amam-panao samihafa ny hoe lampy. Faheno ihany koa eo amin’ny oha-pitenenana maro izay hanamafisana indrindra ny fifankatiavana sy ny fivondronana eo amin’ny fivoaran’ny fiarahamonina”.
Zo ny Aina