Tsaratanàna : Ankizy telo maty tao anaty lavadrano

Ankizilahy telo, maty latsaka tao anaty lavadrano, tao Ma­nonga Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly maraina. 4 taona ny roa tamin’ izy ireo, ary telo taona kosa ny iray. Nilalao teo amoron’ilay la­vadrano, metatra vitsivitsy miala ny trano fonenany ao Antongomena Manon­ga, izy telo lahikely ireo. Nibo­lisatra noho ny halaman’ny toerana, raha ny fanazavana voaray tany an-toerana. Nilo­na minitra maromaro tao izy ireo, vao tsikaritry ny olona teo amin’ny manodidina ny fanjavoana. Nikoropaka tamin’ny tsy fahitana azy ireo ny olon-dehibe teo amin’ny manodidina, nahita azy ireo tao anatin’ilay lavadrano. Nosintomina avy tao ary nentin’ny fokonolona tany amin’ny mpampivelona iray any Morarano Saro­ba­ratra, 3 km miala ny toerana, tamin’ny 11 ora atoandro. Efa tsy nisy aina intsony moa ireo zazalahy kely telo ireo.
Naniraka mpitandro filaminana tany an-toerana, ny poste fixe avy any Morarano, rehefa nandre ny tranga. Nije­ry ny zava-misy sy nanao ny fikarohana mahakasika io raharaha io.
Efa natolotra ny fianakaviany avy ny razana, taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Mbola tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga ny loza. Ny fanadihadiana ataon’ ny zandary no hahafantarana izany. Tsy mbola nisy ny olona voarohirohy tamin’izao fahafatesana izao hatramin’izao. Ma­ri­hina fa mirefy 1,5m ny halalin’ity dobo fakana rano nilatsahan’izy telolahy ireto. Nataon’ ny mponina teny an-toerana ho fandroana izy io, raha ny fanazavan’ny mponina tany an-toerana. Entanina ny ray aman-dreny mba hanara-maso ireo zanany, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao.

Mino

Partager sur: