TSELATRA

Karohin’ny mpitandro filaminana ny mpitarika ao amin’ny toeram-pivavahana iray any Manerinerina, faritr’i Boeny, amin’izao fotoana izao. Hanenjehana azy ny fanararaotana ara-nofo ataony amin’ny vehivavy tonga miangona ao aminy. Lasibatr’izany avokoa na vehivavy efa manambady na tsia. Efa ravan’ny mpitandro filaminana kosa ilay toeram-pivavahana.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tany amin’iny RN1 iny, Ambatondramijaly, andrefan’ Anala­vory, omaly. Nifandona, tamin’izany, ny fiara telo: kamio roa sy sprinter iray. Vokany, tapaka tanteraka ny lalana tamin’ny omaly noho ny lalana voabahana. Tsy nisy ny olona naratra na namoy ny ainy tamin’io tranga io.

Zazalahy kely iray maty voahitsaky ny kamiao, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, teny amin’ny RN4, Ambohibolakely, Morararo Gara. Nifanenjika ireo fiarabe roa ireo, ka nahadona ity zazalahy kely ity ilay fiara tao aoriana, raha ny vaovao voaray. Efa eo anivon’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha mahakasika izany.

Lehilahy iray, voalaza fa adala no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny CSP1, omaly, tetsy Ambohi­jatovo. Namaky « par brise » na fiara iray teny amin’ny manodidina izy io, ary niditra tao amin’ilay fiara. Saika hoentiny hitsoaka ilay fiara, saingy tonga nanakana azy ny olona. Efa notazomin’ny polisy izy io hanaovana fanadihadiana.

Partager sur: