VAOVAO TAMBATRA

Vonona hampiasa ny volany eto amintsika ny orinasa Sinoa, Sinomach Hainan Development Co., Ltd sy ireo mpikaroka avy ao amin’ny Académie chinoise des sciences agricoles Hainan. Misehatra amin’ny fampivoarana ny rafi-pambolena izy ireo ka hitondra ny fahaiza-manaony eto Madagasikara.
Hisokatra tsy ho ela amin’i Maroc ny lanitr’i Madagasikara. Hampiharina ao anatin’ny fotoana fohy ihany koa ny « Accord de transport aérien » noho ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Tanjona ny hampitomboana ny sidina aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy Maroc.
Tonga ao Antsiranana ny vary nafarana amin’ny vidiny 750 Ar ny kapoaka. Mitotaly 168 taonina ny totalin’ireo vary hamidy alefa ao an-toerana. Efa miparitaka eny an-tsena ankehitriny ireo vary amina kitapo 50kg, milanja 28 taonina. Mbola hitohy any amin’ny faritra hafa ny hetsika.
Miisa 150 ireo nisitraka fiofanana momba ny fiompiana trondro tao amin’ny faritra Fitovinany. Niompana tamin’ny teknika fototra momba ny fanatavezana trondro Tilapia sy Karpa ary famokarana zana-trondro ny famelabelarana natao. Tanjona ny hampakarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra sy hampiroboroboana ny fihariana.

Partager sur: