Vokatry ny rano miakatra: Olona roa namoy ny ainy

Raha ny tatitry ny BNGRC omaly, namono olona 2 ny fiakaran’ny rano noho ny ora-ni­kija efa nanomboka ny fa­ran’ ny herinandro teo. Tao Alaso­ra, distrikan’Antanana­rivo Ava­radrano ny iray ary tany Sahavato, distrikan’Ano­si­va­rika ny iray hafa.
Mitontaly 3 871 ireo traboina, avy amin’ny tokantrano 959. Anisan’ny tena voa mafy ny ao Antananarivo Atsimon­drano, izay miisa 3 745. Vo­katry ny fiakaran’ny reniranon’i Sisaony no nahatonga ny fahavoazana.
Olona 2 478, avy amin’ny tokantrano 697, kosa tsy main­tsy nafindra toerana amin’ireo toby fandraisana tra­boina mi­isa 7. Trano miisa 757 no dibo-drano, 5 nahitana fahasimbana ary 5 rava tanteraka.
Mandray an-tanana ireo traboina ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampisakafoana sy ny fitsinjovana ny fahasalaman’izy ireo. Manao ny fandrindrana ankapobeny, hisian’ny lamina amin’ireny toby ireny ny mpitandro filaminana.
Efa midina tsikelikely ny rano, omaly, rehefa niato ny orana.

Tatiana A

Partager sur: