Zara revy: Hanamarihana ny 30 taona nihiran’i Samöela

Manomboka any amin’ny “Mampirevy”, rakikira voalohany, ka hatramin’ireo hira nivoaka farany no fehezina ana­tin’ny “Zara Revy”. “Efa sy sasany”, ka hotetezin’i Samöela an-kira izay 30 taona izay.

1995 -2025. 30 taona lasa izay ny nanitsahan’i Samöela ny sehatry ny CGM Analakely sy ny Alliance Française An­davamamba, izay nanombohany tamin’ny mozika. Fam­pisehoana miisa 2033 no vita, rakikira fihaino 11 sy video 6 kosa no efa nivoaka. Firenena 29 no efa notsidihin’i Samöela sy ny tariny tao anatin’izay. Tsy handalo fotsiny fa homarihina amina karazan-tseho sy hetsika samihafa, eto hatrany ivelany izany. Goavana indrindra amin’ireo ny “Zara Revy” izay hiditra amin’ny andiany fahefatra amin’ity, hotontosaina ny 6 avrily izao, etsy amin’ny Kianja Malacam Antani­mena.
“Ny Zara Revy no faratampon’ny firevena Samöela. Isaky ny roa taona io no misy ary tsy maintsy amina kianja lehibe satria tena hoe natao ho an’ny besinimaro. Man­dritra ny Zara Revy izahay no manao hira maro indrindra, tafakatra hatrany amin’ny 50 any”, hoy ny nambaran’i Samoëla, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny ma­soivoho Orange Gara Soa­rano.
“Zara revy” mandritra ny tontolo andro, satria amin’ny 10 ora maraina dia hanomboka izany. Hisy sehatra roa samy hafa, ka ny sehatra voalohany handray ireo mpanakanto hasain’i Samöela sy ny Be Mozik! hampirevy hatra­min’ny 3 ora tolakandro. Hiakatra eo amin’ny sehatra faharoa kosa i Samöela ma­nomboka amin’ny 3 ora mandrapaha-vitan’ireo hira halahatra. “Vao eo amin’ny fisafidiana ny hira halahatra dia efa manahirana. Misy ireo hira tsy maintsy hatao, misy ireo fanahy iniana hatao ary mba misy sitraponay koa hatolotra ao. Tsy misy vaovao anefa ireo fa hira efa nivoaka avokoa”, hoy hatrany i Samöela.
Hitrotro ny mozikan’i Sa­möela eo avokoa ireo mpi­tendriny hita manaraka azy amin’izao fotoana. Efa mpitendry ao amin’ny tarika taloha, hasaina manokana hiray sehatra amin’io fotoana io ihany koa i Silo. Aorian’izay, hiatrika indray ny fitetezam-paritra i Samoëla sy ny tariny.

Zo ny Aina

Partager sur: