Tsy mbola ahitana mpamokatra masomboly voamarina ny faritra Diana. Izay no nahatonga ny fiofanana voalohany any an-toerana, natao ny 11 febroary teo, tao amin’ ny distrika Ambilobe. Nandritra ny 4 andro ny fiofanana. Nahatratra 16 ny mpiofana avy amin’ny fikambanan’ny tantsaha mpamboly vary miisa 16. Nanohana azy ny tetikasa Fiaro-AFDI, vatsian’ny Vondrona eoropeana ara-bola ao anatin’ny fandaharanasa Afafi-Nord. Karazam-bary 3 no hovokarina, ny Vary manitra (Madame Rose), ny Tsipala ary ny Fy Vary 32. Nampitaina tamin’izy ireo ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny famokarana masomboly. Teo koa ny dingana rehetra amin’ny fanamarinana ny masomboly. Nampahafantarina ny teknikam-pambolena, manomboka amin’ny fisafidianana ny tany hatrany amin’ny fitantanana aorian’ny fijinjana ny vokatra. Teo koa ny fitahirizana ny masomboly.
Nisy ny fidinana ifotony niaraka tamin’ny tantsaha tsirairay, nanamarinana ny toerana fambolena mahafeno ny fepetra. Araka ny fenitra mifehy ny famokarana masomboly, velaran-tany 25 ara (2 500 m2) farafahakeliny no hovolen’ny tantsaha tsirairay.
Araka izany, hampihatra avy hatrany ny fahalalana norantoviny amin’ity taom-pambolena Asara 2025 ity ireo mpiofana ireo, amin’ny famokarana masomboly voafantina sy voamarina. Haparitaka any amin’ny tantsaha mpamboly ankapobeny indray avy eo ny vokatra.
Njaka A.