Mifarimbona ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampitombo ny tahan’ny fanaovam-baksiny. Afaka manatona ny Osiem avokoa ireo hampanao vaksiny na tsy zanaky ny mpiasan’ny orinasa mpikambana aza.
Toeram-pandraisana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny orinasa (madinika sy lehibe) sy ny vady aman-janany, ny Osiem ao Mahajanga. Manana sampana fanaovana vaksiny izy ireo ka tsy ny zanaky ny mpiasa ihany no afaka misitraka izany maimaimpoana, fa mandray ireo zaza monina amin’ny manodidina rehetra koa izy ireo. Natao izany hisarihana ny ray aman-dreny hampanao vaksiny ny zanany, hampiakatra ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina azo sorohina. Zaza 60 eo ho eo, ho an’ny vaksiny BCG no tonga isam-bolana, raha 80 kosa ho an’ny vaksiny Penta 1-2-3. Ho an’ny zanaky ny mpiasa, tsy mandray fizahana mihitsy ny mpitsabo rehefa marary ny zaza raha tsy ara-dalàna ny vaksiny rehetra. Anisan’ny nampiakatra ny tahan’ny fanaovam-baksiny io paikady io satria hazavain’ny mpitsabo fa mety avy amin’ny tsy fahavitan’izany araka ny tetiandro no mamparefo ilay zaza ka miteraka aretina. « Eo anivon’ny tobim-pahasalamana ihany no mandray ny zaza atao vaksiny ny mpiandraikitra izany », hoy ny mpitantana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny Osiem, Ravolaniaina Vosgelie.
Eny amin’ny CSI Mahabibo no alaina ny vaksiny sy ny kojakoja rehetra (registre de vaccination, karine) hamatsiana ny toeram-pandraisana ary misy ny tatitra atao isam-bolana momba ny isan’ny zaza nahazo izany. Mandray anjara amin’ny asa rehetra ho fanatsarana ny fanaovam-baksiny ao anatin’ny distrikan’i Mahajanga I koa izy ireo. Tafiditra amin’izany ny fampiofanana ho an’ny tomponandraikitry ny fanaovam-baksiny sy ny fanaraha-mso ny fizotry ny asa iraisan’ny tsy miankina sy ny fanjakana.
Vonjy