Mampahatsiahy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mamono ny aretina haromontana. Saingy, azo tsaboina kosa raha voavonjy haingana ny marary. Azo sorohana amin’ny alalan’ny vaksiny atao amin’ireo biby mpamindra aretina ihany koa ny haromotana.
Ny alika na ny saka no mamindra ny aretina. Amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotra na ny filelafany no ifindran’izany.
Raha sanatria ka voakaikitry ny alika ny olona dia mila atao vaksiny. Manatona tobim-pahasalamana haingana satria miitatra haingana be ny aretina. Mandra-pahatonga any amin’ ny dokotera dia sasana amin’ny savony atao mandroatra tsara ny fery. Tsy maintsy makany amin’ny dokotera avy hatrany mba tsy hahafaty haingana.
Mety ho namana tsara ny alika sy ny saka nefa mety hanaikitra indraindray rehefa tezitra sy matahotra. Tsy tokony hokorontanina sy ampijaliana izy ireny. Tsara ho fantatra fa maimaimpoana ny vaksiny fanefitry ny haromotana eto Madagasikara.
Tatiana A