Fanajariana ny tany sy ny fanorenana: Hanampy ny ben’ny Tanàna ny fampiasana ny “Matac”

Mitohy ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny fampiasana ny “Minisitère de l’aménagement du territoire : autorisation de construire – Matac”. Hanampy betsaka ireo ben’ny Tanàna ity fitaovana ity.

Fitaovana ahafahana mikirakira ara-kajy mirindra ny fitantanana sy ny fandraisana antontan-taratasy fahazoan-dàlana hanorina ny “Matac”. Ahafahana mitsidika ny faritra, “Zonage”, sy ahazoana ny torolalana momba ny fandrindrana ny tanàna koa izy io. “Anisan’ny fitaovana atolotry ny MFFT ho an’ny mponina sy ny ben’ny Tanàna izany mba hahafahana mitantana ny fanajariana ny tany eo anivon’ny kaominina”, hoy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany, Rakotomalala Miangaly, omaly, tetsy Anosy. Nanteriny fa fitaovana niomerika azon’ny rehetra hidirana amin’ny alalan’ny tambajotra izy ity. Ahitana ny tany na toerana azo hanorenana na tsia, araka ny nambarany. Efa napetraka ireo drafitra fanajariana ny tany mamaritra ny fivoaran’ny tanàn-dehibe. Tsy ampy ahafantaran’ny olona sy ny ben’ny Tanàna anefa izany ka izao nirosoana izao ny “Digitalisation”. “Mba hahafantaran’ny rehetra ny tokony hatao sy ny toerana ahazoana manorina …”, hoy ihany izy. Notsindriny fa ahitana ny vina napetraka amin’ny tanàn-dehibe ny “Matac”. Anisan’izany ny toerana ahafahana manorina trano na koa indostria. Hita koa ireo tsy azo anorenana mba tsy hisehoan’ny fanotofana tany, araka ny nambarany.

Nohatsaraina ny fahaiza-mikirakira ny “Matac”

Napetraka tamin’izao atrikasa izao koa ny fihaonana amin’ireo teknisianina mikirakira ny “Matc” na koa ny teknisianin’ny kaominina raha misy olon-tsotra liana amin’izany. Azo atao koa ny manatona ny fitaleavam-paritry ny MFFT na ny minisitera.
Nambaran’izy ireo fa tratra ny tanjona tamin’ny dingana voalohany saingy mila hatsaraina ny fahaiza-mikirakira izany. “Mbola zatra taratasy isika ka miroso ao anatin’ny fanazarana tsikelikely… Natao tsotra ny teny ampisaina fa tsy teknika be ary nohatsaraina mba tsy ho sarotra ny fampiasana azy”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: