Fandikana ny fitsipika anatiny: Nesorina tsy ho HVM i Dadilahy

Nesorina tsy ho mpikambana ao amin’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara – HVM intsony Rasolofonirina Jean Michel José Andriamady na i Dadilahy.
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo, omaly, fa naharay tatitra momba azy ny eo anivon’ny birao politika nasionaly. Ni­ainga avy any amin’ny mpandrindram-paritry ny antoko HVM any Boeny, ny 10 feb­roary lasa teo, izany. Voalaza ho anton’ny fanesorana azy ny momba ny fandikana ny fitsipika anatin’ny antoko nandritra ny fifidianana ny birao maharitra eo anivon’ny filankevitry ny kaominina ambonivohitr’i Mahajanga I. “Tsy afaka misolo tena sy maneho hevitra amin’ny anaran’ny antoko HVM, notohanan’ny vovonana Firaisankina, izy amin’ireo sehatra politika, andraisany fanapahan-kevitra”, hoy ny eo anivon’ny antoko.
Nanambara ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, fa banga ny lalàna fanasaziana ireo mpanolotsaina, amin’ny tranga tahaka izao any Ma­hajanga izao. “Tsy voasoratra ao ny fanesorana tanteraka tsy ho mpanolotsaina intsony ao amin’ny kaominina nahavoafidy azy”, hoy izy.
Tsiahivina fa maromaro ireo mpanolotsaina, namadika palitao tato ho ato ka nirona any amin’ny fanohanana ny Irmar. Anisan’izany ny mpikambana iray mpanolotsaina, avy amin’ny Hetsika Gascar, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Nanara-dia ny ben’ny Tanàna ny tenany.

Synèse R.

Partager sur: