Tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny hoe ny firaisamonina sivily. Manao politika? Na fitaovana politikan’ny any ivelany, tsy manao afa-tsy mitsikera… Mety tsy mitovy be ihany ny fijery arakaraka ny toerana misy ny tsirairay. Tsindrilentam-pahefana fa tsy mpanohitra ny firaisamonina sivily. Fanadihadiana…
«Eo anelanelan’ny isam-batan’olona sy ny Fanjakana, fitambaran’olona sy vondron’olona (voalamina na tsia) izay miara-miasa amin’ny sehatra sosialy, politika, kolontsaina ary ekonomika, tantanin’ny fitsipika sy lalàna na tsia. Ny fiarahamonina sivily dia ahitana ireto fikambanana manaraka ireto: sendikà, fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana, vondron’ny vehivavy, vondrona ara-kolontsaina sy ara-pivavahana, fikambanana mpanao asa soa; fikambanana ara-barotra, klioba ara-tsosialy sy ara-panatanjahantena, kaoperativa sy fikambanan’ny matihanina amin’ny asany, ivontoeram-pianarana sy fikarohana, fampitam-baovao. Ny fiarahamonina sivily dia mahaleo tena, miovaova ary mavitrika”. (1) Izay ny famaritana iray ny amin’ny hoe fiarahamonina sivily.
Misolo tena ny olona rehetra ny firaisamonina sivily
Diso ny famaritana hoe fiarahamonim-pirenena. Toy ny hoe fiarahamonina nasionaly izany: misolo tena ny olona rehetra ao anatina fiarahamonina. Tsy ny firenena no miara-monina fa ny olom-pirenena. Vondron’olona iray izay manabe vahoaka sady mampahatsiahy ny fitondram-panjakana amin’izay tokony hataony na tsia ny firaisamonina sivily. Manabe vahoaka amin’izay tokony hataony na tsia koa. Mampianatra vahoaka amin’ny tsy fahaizany taratasy, ohatra, na manao taratasim-panjakana toy ny fangatahana tany na fitoriana na fandoavan-ketra, sns.
Elanelam-panahy eo amin’ny vahoaka sy ny fitondram-panjakana ny firaisamonina sivily. Tsy natao ho mpanohitra na mpanohana fitondrana izy, tsy hamalifaly hoe ho tian’ny vahoaka koa. Tsy maintsy mijery ny lafiny rehetra: inona no mahatsara na tsy mahamety ny fiarahamonina, inona ny tokony hataon’ny vahoaka na tsia… ? Misy, ohatra, ny mivondrona momba ny fitandroana ny zon’ olombelona, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanaraha-maso fifidianana… Ao anatin’ izay, samy tokony hanao ny andraikiny misy azy avy ny tsirairay. Nefa lasa mitondra tenin’ny mpanohitra amin’ny fitabatabana ny firaisamonina sivily indraindray ny sasany: tsy maneho hevitra raha tsy hanohitra ny tetikasam-panjakana. Natao hiara-miasa amin’ny vahoaka izy, hiara-miasa amin’ny sampandraharaham-panjakana samihafa koa.
Misy karazany ny firaisamonina
Samy tokony hanana ny anjara toerany avokoa ny olona rehetra ao anatina firenena iray. Mampianatra ny olona amin’ny ara-panahy ny firaisamonina ara-pinoana; mandraharaha sy mamorona asa ary mampiditra hetra ho an’ny fanjakana ny firaisamonina ara-toekarena; miaro ny firenena sy mampanjaka ny fandriampahalemana ny firaisamonina miaramila; manabe vahoaka amin’ny fampitam-baovao sy fialamboly ny firaisamonina ara-tserasera; manatsara ny fiainan’ny mpiasa ny firaisamonina amin’ny asa; sns. Koa ny tena anjara toeran’ny firaisamonina sivily dia manao fanabeazana olom-pirenena sy manentana ny vahoaka ho amin’ny fampandrosoana, fanatsarana sy fiarovana ny tontolo iainana, hitaiza ny olom-pirenena handoa hetra…
(1) Petit Dictionnaire pratique des éléctions, Ferdinand Kapanga Mutombo, Edition spéciale, 2006.