Fikirakirana ny teknolojia sy ny niomerika: Azo isarihana ireo mpampiasa vola

Hitondra fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny fikirakirana ny teknolojia niomerika. Manampy amin’ ny fisarihana ireo mpampiasa vola sy orinasa lehibe hitodika aty amintsika ny tontolon’ny haitao ara-kajy mirindra.

Miara-dalana ny fampandrosoana sy ny niomerika, antony mahatonga an’i Madagasikara mametraka ny teknolojia ho ivon’ny sehatr’asany. Fomba iray hisarihana ireo mpampiasa vola ny fahaizana mikirakira ny teknolojia. «Mila ampahafantarina an’izao tontolo izao fa firenena maharaka ny fandrosoan’ny teknolojia sy mahay mikirakira izany i Ma­dagasikara», hoy ny filohan’ny vondron’ny mpandraharaha ara-teknolojia sy ny ita ary ny serasera (Goticom), Andria­manantsoa Mbolatiana, nandritra ny fampahafantarana ny «Choose Digital Madagascar» teny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), Antani­narenina. Tanjona ny hampahafantarana ireo mpampiasa vola sy ireo orinasa mpikirakira ny niomerika ireo harena eto amintsika. Kendrena ny hametrahana ny firenena mala­gasy ho safidy stratejika ho an’ireo mpampiasa vola sy orinasa misehatra amin’ny niomerika amin’ny alalan’ny «Choose Digital Madagas­car».

Tanjona

Vinan’ny tetikasa ny hampiakatra avo ny sehatry ny niomerika eto Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Ankoatra izay, hampianatra sy hanofana tanora amin’ ny fahalalana sy fahaizana takin’ny sehatry ny niomerika ny «label Excelia Digital Aca­demy». Tanjona ny hananan’ ireo tanora hoavy mamiratra eo amin’ny tontolo niomerika sy afaka mifaninana eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena. Hitondra tombontsoa maro ho an’ny tanora ny tetikasa, hanampy azy handrato fahaizana sy manokatra ny varavaran’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa. «Efa tia mikirakira ny niomerika hatramin’izay aho ka nahatonga nisafidy ny lalam-pianarana informatika. Tanjona ny hiasa amina orinasa goavana misehatra amin’ ny teknolojia sy ny niomerika», hoy i Tojo. “Antenaiko fa hanampy ny tanora malagasy hiditra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity label ity”, hoy ny fanazavany.

Henintsoa Hani

Partager sur: