Futsal – Analamanga: Nasiana sokajy roa ny fifaninanana

Hotanterahina any Maroc, ny 22 hatramin’ny 30 avrily ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra anaty efitrano, “Can Futsal 2025”, sokajy vehivavy. Manoloana izany, efa miomana ny ligin’Analamanga, ka hikarakara fifaninanana eto an-drenivohitra, ahitana sokajy vehivavy sy lehilahy.
Araka ny vaovao navoakan’izy ireo, omaly, hatao ny 28 febroary hatramin’ny 2 marsa ho avy izao izany. Efa misokatra ny fisoratana anarana, ho an’ireo klioba maniry ny handray anjara.
Marihina fa ity lalao eny anivon’ny ligy ity, dingana iray amin’ny telo, tafiditra amin’ny drafitrasan’ny federasiona mala­gas’inny baolina kitra, ahafantarana ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barea Ladies, hiatrika ny “Can Futsal”. Aorian’izany, hisy ny fifanintsanam-pirenena ka izay mpilalao voafantina eo, hiatrika ny fampivondronana avy hatrany rehefa vita ny fifaninanana nasionaly. Ampahafantarina fa ao amin’ ny sokajy “C” no misy an’i Madagasikara, hifandona amin’i Sénégal sy i Tanzanie.

F.R

Partager sur: