Nijery ny zava-misy eny amin’ny hopitaly fiterahana Befelatanana ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana. Manoloana ilay vaovao niparitaka teny amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ilay renim-pianakaviana avy niteraka tsy afaka mivoaka ny hopitaly fa tsy maintsy manefa trosa no anton’ny fidinana ifotony.
« Voaporofo tamin’izany fa maromaro ireo renim-pianakaviana misedra izay olana izay », hoy izy. Manampy amin’ny vonjy aina ny hopitaly. Ireo reny tsy maintsy mandalo fandidiana rehefa hiteraka no tena misedra ny tsy fahampiam-bola.
5 andro ny fe-potoana ahafahan’ilay reny mijanona ao amin’ny hopitaly hitadiavany vahaolana handoavany ny trosany. Manao ny fanadihadiana ny assistante sociale manamarina fa tena sahirana ilay reny. Ny « fonds d’équité » aloan’ny hopitaly amin’ny farmasia manonitra ny vidim-panafodin’ilay mpiteraka, araka ny fanazavana.
Ireo tena sahirana mpatory an-tsena no matetika tsy mahaloa ny volan’ny hopitaly. Nambaran’ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, fa tamin’ny taon-dasa, efa nahatratra 493 tapitrisa Ar ny vidim-panafody nosoloin’ny « fonds d’équité » tao Befelatanana. Tena betsaka, araka izany, ny mpiteraka kanefa tsy manana ny hiatrehana ny fiterahana.
Niezaka nanao izay tratra nahafahana nanampy ireo renim-pianakaviana sendra fahasahiranana tao Befelatanana ny tenany nandritra ny fandalovany teny.
Tatiana A