Nanatanteraka fivoriambe fanao isan-taona ny eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Fotoana nanaovan’ny mpitantana ny tatitra ny zava-bita tamin’io izay natrehin’ny ligim-paritra 2 (Atsinanana sy Boeny) amin’ ny telo ary ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena. Ankoatra ireo ligim-paritra roa ireo, ligy telo hafa no eo an-dalam-pananganana, ahitana ny ligin’ Analamanga, Vakinankaratra ary Atsimo Atsinanana. Taorian’ny nanolorana ny mpikambana anatin’ny federasiona no nanaovana ny tatitra ara-moraly, ara-teknika ary ny ara-bola ka nankatoavin’ireo ligy nanatrika tamin’ny alalan’ ny tsangan-tanana izany. Anisan’ny fahombiazana goavana ho an’ny federasiona ny fitomboan’ny mpikatroka, izay tafakatra 1000 amin’izao raha toa ka 400 izany tamin’ny nandraisan’izy ireo ny fitantanana. Teo amin’ny vokatra kosa, tsara izany, nahazoan’ny Malagasy mpikatroka ny tompondaka maneran-tany roa, niampy laharana fahatelo iray. Teo amin’ny lafiny fiofanana, nahavita fiofanana ho an’ny mpitsara miisa 15 ny federasiona ary ho hampitomboina sy hitarina hatrany ivelany izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Rakotozafy Johary. Hisy ny fiofanana hatrehin’ny Malagasy any Maraoka, amin’ny volana jolay, hanatsarana izay lafiny teknika izay. Mikasa ny handray fifaninanana iraisam-pirenena koa i Madagasikara ary hisy ny manam-pahaizana manokana ho avy eto hizara traikefa.
Ny «Open Africa» hatao ny volana avrily izao no fifaninanana iraisam-pirenena akaiky indrindra miandry ny Malagasy mpikatroka ary mikendry ny haka medaly volamena maro izy ireo.
Mi.Raz