Tato ho ato dia ohatra ny tsy maharesy lahatra izany intsony ny tombana ataon’ireo avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha milaza fa hafana sy tsy hanorana izy ireo, mbetika anefa ora-mikija arahina havandra no miseho. Raha milaza hisy orana kosa dia midongizina tsy mety mitomany ny lanitra. Haintany mitarika faharitran’ny loharano no miseho.
Tsy indray mandeha na indroa fa dia matetika loatra ny fisehoan’izany. Tsy sanatrian’ny vava hoe, tsy mahay ny Malagasy teknisiana, fa hita taratra hoe mivadika ny rasa. Ilay natiora mihitsy no efa mikomy sy manao fairano an-dRamalagasy. Manao izay danin’ny kibony mihitsy ramasoandro sy ny oran’andro. Tsy ankitsitsy fa izay sendra azy dia mandray ny kihony ara-bakiteny.
Tomponandraikitra feno amin’izay miseho anefa ny olom-pirenena tsirairay. Andaniny, tafahoatra ny fanimbana ny tontolo iainana. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpandrava sy mpandroba ny harena voajanahary. Manjaka loatra ny fitiavan-tena. Voabaikon’ny vola avokoa ny olon-drehetra. Tsy misy intsony ny mitsinjo lavitra. Tsy mijery ny tombontsoan’ny besinimaro.
Ankilany, resabe, ilana fandinihana ihany koa ny mahakasika ny resaka “ota fady”. Mimenomenona ny mponina amin’ny faritra maro fa vokatry ny fanimbazimbana ny fomba amam-panao no rangory fototry ny afo. Betsaka ny vahiny avy any ivelany, nitondra ny kolontsainy, izay nifototra amin’ny maha kapitalista azy ireo. Tsy misy miraharaha izay riba sy fomba izany.
Santionany ireo, fa raha zohina ny zava-misy dia maro ny zava-mitranga, mahatonga ny fahavoazan’ilay Malagasy ankehitriny. Ilay fanahy maha olona mihitsy no mila haverin-kasina. Tsy misy vahaolana azo haroso, raha mbola ny marary ho tsaboina no tsy resy lahatra amin’ny fanafody.
r.r