Nanapa-kevitra ny eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) fa hakatona ireo birao miisa sivy eo amin’izy ireo ka anisan’izany ny eto Madagasikara. Voalaza ho anton’izany ny olana ara-bola eo anivon’izy ireo ka tsy ahafahana miatrika ny fandaharanasany amin’ny hoavy.
Araka izany, hikatona manomboka amin’ny volana aogositra izao ny FES eto Madagasikara. Mbola hitohy hatramin’ny volana jona kosa anefa ny asany mialoha ny hamindran’izy ireo izany amin’ny fikambanana hafa mpiara-miombon’antoka aminy.
Miompana tanteraka eo amin’ny haitarika ny asan’ny FES. Anisan’izany ny haitarika eo amin’ny tanora, toy ny “Youth Leadership Training Program – YLTP”. Eo koa ny lafiny fitantanana ankapobeny ny politika ka nanokafan’izy ireo sehatra ifampiresahana hatrany teo amin’ireo mpanao politika ahafahana mijery ny hoavin’i Madagasikara. Manampy izany ny nitondran’izy ireo anjara biriky ho amin’ny fampiroboroboana ny demokrasia sy ny sosialy teto amintsika.
Tsiahivina fa tonga teto Madagasikara, ny taona 1964, ny FES raha niato kely kosa ny taona 1975-1988. Samy nisitraka ny andraikitra nosahanin’izy ireo avokoa ireo antoko politika, ny eo anivon’ny parlemanta, ny fiarahamonim-pirenena, ny haino vaky jery. Eo koa ireo sendikà sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina.
*
Synèse R.