Niambina gisa : Ankizivavy roa maty tao anaty lavadrano

Ankizy roa vavy maty nilatsaka tao anaty lavadrano tamin’ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny fokontany Ampamohokely, kaominina sy distrika Andilamena. Samy efa-taona izy ireo. Hita ny talata teo kosa ireo vatana mangatsiakan’izy roa ireo. Nandeha niandry gisa ny ankizivavy miisa telo, ny alatsinainy. Nafana be ny andro, nandeha nandro tamin’ny rano miandrona iray any an-toerana izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Nisy lavadrano anefa tao anatin’io rano io, ka latsaka tao anatin’izany ny ankizivavy roa. Tsy hitan’ilay namany ny nandehanan’izy roa vavy, ka niantso sy nampandre ny ray aman-drenin’ny iray izy. Nanao ny fikarohana rehetra tao anaty rano ireo tomponandraikitra tamin’io fotoana io. Tsy hita anefa izy ireo raha tsy ny maraina. Efa vatana mangatsiaka no nalaina tao. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fizahana ny razana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo ao an-toerana. Natolotra ny fianakaviany ireo razana toarian’izay. Efa nalevina moa ny razana, raha ny tatitra voaray hatrany. Manentana ny rehetra sy ny ray aman-dreny ny tomponandraikitra mba hanara-maso ny zanany mandritra izao vanim-potoan’ny orana izao. Hisorohana ny loza tahaka izao no antony.

Mino

Partager sur: