Taranja tolona – Ekipa nasionaly malagasy : Mahatratra 80 mahery ireo atleta hifantenana

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ny ao amin’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), amin’izao fotoana izao. Miisa 80 mianadahy ireo atleta hanaovana fifantenana handrafitra izay ho ao anaty ekipam-pirenena.

Hotontosaina ny 29 avrily hatramin’ny 4 mey ho avy izao, any Maroc, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tolona. Efa miatrika fampivondronana na­nom­boka ny faran’ny volana janoary teo ireo mpilalao sokajy zandriny U23. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny taranja tolona (FML), Raveloson Mamitiana, omaly, mavitrika tanteraka ny atleta, mahatratra 80 mahery izy ireo no tonga miatrika ny fampivondronana.
Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena, tontosaina eny amin’ny ANS Ampefiloha, isa­ky ny alarobia sy sabotsy iza­ny. Nilaza ny mpitantana ity ta­ranja ity eto Madagasikara fa manana vina ny handefa mpilalao sivy any Maroc ny federasiona, saingy mbola miandry ny fanampiana avy amin’ny mi­nisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izany.
“Mbola manana fotoana iray volana izahay hanomanana tsara io fifanintsanana io. Hiezaka ny mpitantana ny taranja tolona malagasy, handrombaka medaly sy hitady vokatra tsara. Efa manao ny hainy tsy ho zavatra amin’izany na ireo atleta na ny teknisianina sy ireo mpanazatra ary ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona”, hoy ny mpitantana ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), Raveloson Mamitiana.
Raha tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mandritra io fifanintsanana afrikanina io, miatrika ny lalao maneran-tany i Madagasikara. Hatao any Zagreb Croatie, ny volana septambra ho avy io izany. Tsiahivina fa hiatrika ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo firenena miteny frantsay, « Jeux de la Franco­pho­nie », hanomboka ny volana jona, any Lomé Togo, ireo ekipam-pirenena malagasy ireo.

F.R

Partager sur: