TSELATRA

Manomboka midina ifotony ireo mpitandro filaminana eo anivon’ny Emmo-Reg. Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana fanentanana momba ny fandrarana tsy hanaovana fanamiana miaramila sy ny mitovy aminy. Manara-maso sy manentana hatrany ny rehetra izy ireo. Amin’ny ankapobeny, efa tsy ahitana fanamiana miaramila intsony eny an-tsena saingy mbola misy kosa ireo olona hita manao izany. Toy ny akanjo, satroka na pataloa.
Voasambotra tetsy Andohatapenaka ireo andian-jiolahy tsy ampy taona, manao sinto-mahery. Mampitaraina ny mpandalo sy ny mponina amin’iny faritra iny ny fisian’izy ireo. Nametraka paikady ahafahana misambotra azy ireo ny Polisin’ny kaomisaria 67Ha ka izao nahitana vokatra izao. Marihina fa miisa valo izy ireo ary efa anaovana fanadihadiana eny amin’ny kaomisaria.
Lehilahy iray maty nilatsaham-baratra, afakomaly, tany amin’ny fokontany Soavinimerina, distrikan’i Mahitsy. Teny an-dalana, nitondra sarety izy mivady, no niharam-boina. Vokany, maty tsy tra-drano niaraka tamin’ny omby iray ilay raim-pianakaviana. Raha toa ka tsy naninona kosa ny vadiny sy ny omby iray hafa.
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo iray, ny alin’ny talata 18 hifoha ny alarobia 19 febroary teo, nandritra ny “Opération tsy mitsitsy” tany amin’ny fokontany sy kaominina Ambesisika, distrika Ambato Boeny. Lavo ny balan’ny zandary nandritra ny fifanjevoana tao avaratry ny tanànan’Ankazoabo, lalana mihazo ny tanànan’i Mangaroa, tokony ho tamin’ny 01 ora sy 30 minitra maraina.

Partager sur: