Tsy fandriampahalemana – RN2: Kamiao nitondra kojakojan-drano voatafika

Anisan’ny tahotry ny mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ny fisian’ny da­halo mpanafika fiara eto amin’ny Nosy, indrindra ny lalam-pirenena. Nitrangana asa fanafihana fiara lehibe iray, afakomaly alina, teo anelanelan’i Brickaville sy i Marozavavy. Kamiao iray lehibe, nitondra “conteneur” misy fitaovana fikirakira momba ny rano, io voatafika io, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Tobim-paritra Atsinanana. Maro ireo entana lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Ton­ga nanao fitarainana teny amin’ny zandary nanao ny asa fandaminana ny fifamoivoizana io mpamilin’ny fiara io, omaly tamin’ny 11 ora sy 25 minitra. Nanao tatitra mahakasika ny tranga nahazo azy. Tonga nanamarina sy nijery ny zava-misy teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana, taorian’izay. Nohamarinina avokoa ireo zavatra sy entana very tao anatin’ilay fiara. Mbola tsy fantatra ary tsy mbola voarainay ny totalin’ny entana very tao anatin’io fiara io, hatramin’ny nanoratanay, omaly.
Ho fiarovana ny ain’ny mpamily sy ireo mpandeha amin’ny lalam-pirenena faharoa iny, nahazo baiko hanara-maso ny fivezivezen’ireo fiara rehetra, ny zandary miasa manamorona iny lalam-pirenena iny. Mba hahafahana mitandro ny filaminan’ny mpan­deha rehetra, indrindra amin’ireo toerana efa ahiahiana, raha ny tatitra voaray. Efa nisokatra ihany koa ny fanadihadiana hifarimbonan’ny za­na-tobim-paritra Antsampa­nana sy BPR Brickaville mahakasika ity tranga ity.

Mino

Partager sur: