VAOVAO TAMBATRA

Manahy amin’ny fiakaran’ny vidin’entana sahady ny mpanjifa. Misesisesy ny orana ka mananosarotra ny fitateram-bokatra, indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana. Manampy trotraka ny fahapotehan’ny ankamaroan’ny lalam-pirenena eto amintsika. Antoky ny fampandrosoana ny toekarena ny fotodrafitrasa ka tokony tsy hatao antsirambina.

Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny tolotry ny Jirama. Mbola mitohy ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny rano amina faritra maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina na eo aza ny filatsahan’ny orana. Voalaza teo aloha fa noho ny tsy fisian’ny rano no miteraka ny delestazy sy ny fahatapahan-drano.

Hitsangana aorian’ny fivoriana iarahan’i Madagasikara sy ny Vondrona afrikanina ny tondrozotra hanatsarana ny fitantanana ireo faritra arovana an-dranomasina. Tanjona ny hampiroboroboana ny toekarena manga sy ny fidiram-bolan’ny vondron’olona ifotony. Hitondra avo ny voninahi-pirenena rahateo ny tondrozotra ho rafetina.

Napetraka ny fitaovan-tserasera hanabeazana ny tsirairay amin’ny fikajiana ny tontolo iainana. Mifanaraka amin’ny fomba fiteny sy ny fombam-paritra samihafa izany hampahomby ny fanentanana. Tanjona ny hiadina amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny fanaovana tavy.

Partager sur: