Tafakatra fito ny namoy ny ainy vokatry ny andro ratsy manerana ny Nosy. Anisan’izany ny maty tototry ny tany sy nianjeran’ny trano. 13 159 ny isan’ireo traboina mila tolo-tanana.
Taorian’ny orambe nanomboka ny 14 febroary 2025, teto amin’ny Nosy, tafakatra fito ireo olona maty, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Olona iray maty tany Ambohidratrimo, iray tany Manjakandriana, roa teto Antananarivo Avaradrano ary telo hafa tany Nosy Varika. Amin’ny ankapobeny, tototry ny tany sy ny tamboho nianjera ary lasan’ny rano avokoa ny nahafaty ireo olona ireo, raha ny tatitra voaray. Omaly, lehilahy iray namoy ny ainy tototry ny tany, vokatry ny firodanan’ny trano nonenany, tetsy Ambohimahitsy. Nikija tsy niato ny orana. Vokany, nirodana ny trano iray, ary voatsindry tao ny raim-pianakaviana ka nitarika ny fahafatesany, raha ny fanazavana. Tsy niandry ela, tonga teny an-toerana avy hatrany ny tomponandraikitra nijery ny zava-misy sy nanavotra ny olona tototry ny tany. Ankoatra izay, nitrangana firodanana trano misy rihana dimy ihany koa, omaly, tetsy amin’ny Rocade Ivato. Vokany, naratra, nandritra izany, ny zazakely roa, efa nalefa namonjy hopitaly avy hatrany izy ireo. Ankoatra ny fahavoazana nahazo ny olona teny an-toerana, fiara roa hafa tototry ny tany. Etsy ankilany, nahitana tany nihotsaka koa etsy Ambatobe. Olona roa naratra ary efa noentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ihany koa izy ireo. Farany, nahitana rindrim-bato nianjera ihany koa tetsy Alarobia Amboniloha. Tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy ihany koa ny olona naratra vokatr’izany.
Marihina fa nahatratra 13 159 ny isan’ireo traboina vokatr’izany, nahitana tokantrano 3 350. 12 tamin’ireo ny tany Ambositra, 11 152 ny teto Antananarivo, ary 91 ny any Vatovavy.
Mino