Tonga ny fotoana! Hanomboka anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”.
Vonona ny ekipa malagasy hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, izay hatao eto Madagasikara, manomboka anio. Hahoraka ihany koa ny eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, mandritra ny telo andro, izay manomboka anio, hitohy rahampitso 22 febroary ary hifarana ny alahady 23 febroary. Kihon-dalana farany ho an’ny Ankoay io fotoana io, ahafahana maka ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”, izay hatao any Angola, amin’ny volana aogositra izao. Hatreto, laharana fahatelo no misy an’i Madagasikara ao anatin’ny vondrona misy azy, miaraka amin’i Egype, Côte d’Ivoire ary Centrafrique. Mila mitazona io laharana io ny Malagasy raha te hahazo ny tapakila satria izay ekipa 3 voalohany amin’ity fifanintsanana farany ity no hihazo an’i Angola hiatrika ny “Afrobasket”. Etsy ankilany, mampiseho ny fahavononana ny ekipa mpifanandrina izay efa nigadona eto Madagasikara, ny alarobia lasa teo avokoa. Amin’ny ankapobeny, ambony ny herijika ho an’ny Ankoay raha ny fanomanana natao sy ny fampivondronana. Mpilalao efa zatra niatrika fifaninanana iraisam-pirenena rahateo no mandrafitra ny ekipa malagasy ka manantena ny hahita vokatra tsara, raha ny nambaran’ny mpanazatran’ny Ankoay, Ravonimbola Jeannot. Nanamafy ihany koa ny Malagasy mpilalao milaravinahitra, Razanamahenina Kiady, fa vonona ny hampandresy ny ekipany izy ary hahita lalao avo lenta ny mpijery basikety. “Ilainay ny fanohanan’ny mpijery”, hoy ny antso nataony.
Araka ny fandaharam-potoana, ny ekipan’ny Centrafrique sy Egypte no hanokatra ny lalao, amin’ny 2 ora, ho amin’ny anio. Hisy ny lanonanana fanokafana aorian’izay ary hiakatra an-kianja ny ekipa malagasy, Ankoay, hifanandrina amin’ny ekipan’ i Côte d’Ivoire, amin’ny 5 ora hariva.
Mi.Raz