Fakana tapakilan’ny Mondial : Hatao any Maroc ny lalaon’i Centrafrique sy ny Barea

Araka ny loharanom-baovao iray, fantatra izao fa hatao any Casa Blanca Maroc, ny volana marsa ho avy io, ny fihaonan’ny les Fauves Centrafrique sy ny Barea de Madagascar. Lalao izay hampiantranoin-dry zareo Centrafrique, ary tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2026”, izay hotontosaina any Meksika sy Etazonia.
Mbola manala vela amin-dry zareo Fauves moa ny ekipa nasionaly malagasy. Tsiahivina fa ny taona 2023, lavon’ny Centrafrique indroa nisesy ny Malagasy, 3 no ho 0, teo Mahamasina ary 2 no ho 0, tany Cameroun. Mbola tsara toerana ny Barea amin’ity fifanintsanana ity. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny vondrona “I”, ary manana isa fito.
Aorian’ity fifanandrinana ity, handray an’i Ghana indray i Madagasikara, tsy mbola fantatra ny kianja hanatanterahana ity lalao ity, fa miandry ny valin’ilay fankatoavana ny Kianja Barea ny Malagasy maro.

Fitia Randria

Partager sur: