FANTINA sy FINTINA

Mandalo ny fahefana ary samy hotsarain’ny tantara eto amin’ny natao ho an’ny firenena, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randria­masinoro Ny Riana. Fanehoan-keviny manoloana ny sazy 3 taona an-tranomaizina, ho an’ilay teknisianin’ny Tim, Jean Luce, voampanga ho niditra antsokosoko tamin’ny Ceni sy ny fanohintohinana ny filaminana.

Nakaton’ny fanjakana, afakomaly alina, ny foiben’ny HVM, etsy Andraharo. Voalaza fa anisan’ny fananan-dRajaonah Mbola, mpanolotsain’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, izany trano izany ary sokajiana ho anisan’ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Tsiahivina fa mbola any am-ponja, eny Tsiafahy, izy hatramin’izao.

Nalefa notsaboina any La Réunion, ny vadin-dRafanoharana Paul. Voalaza fa noho ny tsy fahasalamany izao nandefasana azy any izao. Mbola anisan’ireo voafonja amin’ny fikasana hifofo ny ain’ny filoha Rajoelina Andry ny tenany, tafiditra amin’ilay “Raharaha Apollo 21”. Tsy salama tahaka izany koa Rafanoharana Paul, anisan’ny voafonja koa.

Partager sur: