Nofanina ireo mpisehatra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa miara-miasa amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny misitraka ny fampiofanana ireo birao mpanadihady sy ny orinasa misahana ny fanorenana, ho an’ny eto Analamanga. Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa ho an’ny tanàna, Rakotomanana Gerard Olivier, fa tanjon’ny fampiofanana ny fampiharana ny fenitry ny fanorenana, ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro. “Anisan’izany ny fampidirana anaty drafi-panajariana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eny anivon’ny kaominina sy ny faritra”, hoy izy, tetsy Antaninarenina. Nambarany fa tokony hanana fahaiza-manao sy ny traikefa mampiditra ny fenitry ny fanorenana rehefa manao fanadihadiana ireo mpisehatra amin’izany, toy ny birao mpanadihady sy ny orinasa misitraka ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorenana sekoly na CSB na koa ireo biraom-panjakana, araka ny nambarany. “Mila manana fijery lavitra any amin’ny 20 taona isika eo amin’ny drafi-panajariana ny tanàna, ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro”, hoy ihany izy.
Mampitsahatra ny fanorenana tsy ara-dalàna
Notsiahiviny fa efa nialohan’ny fanofanana ireo teknisianin’ny MFFT sy ny eny amin’ny faritra izao atrikasa izao. Mitohy amin’ireo mpiantsehatra hafa indray izany izao ary iarahana koa amin’ireo departemanta hafa, toy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanorenana fotodrafitrasa, ataony. “Manome tantsoroka ny MFFT ary manamarina ny mampety na tsia ny fanorenana. Mampitsahatra ny asa koa raha tsy manara-dalàna izany”, hoy izy.
Synèse R.